Hadith · 3313 · MalagasySource ↗
izay manao ouzò tahaka izao ataoko izao ary avy izy manao soalat roa rakaa', ka tamin'ny fitoniana sy fahadiovam-po no nanaovany azy dia ho avelan'Allah ny fahotana vitany tany aloha - Hadith Translation
Tatitra azo avy tamin'i Homràn, mpanampin’i O'thman bin 'Affàn, fa nahita an’i O'thman bin 'Affan nangataka zinga misy rano hanaovana Ozò izy, dia nandraraka ny rano tamin’ny tànany izy ary nanasa izany in-telo. Avy eo nampidiriny tao amin'ilay zinga ny tanany havanana, avy eo nanotsam-bava izy sy nampiditra rano amin'ny orony ary namoaka izany, avy eo dia nanasa ny tarehiny intelo, ary ny tanany hatreo amin’ny kiho intelo, dia nisafo ny lohany, dia nanasa ny tongony intelo, ka niteny izy manao hoe : Hitako ny Mpaminany (S.A.W) nanao ny ozò toy izao nataoko izao, ary niteny izy hoe : “izay manao ouzò tahaka izao ataoko izao ary avy izy manao soalat roa rakaa', ka tamin'ny fitoniana sy fahadiovam-po no nanaovany azy dia ho avelan'Allah ny fahotana vitany tany aloha".
- Narrated by
- Notantarain’i Bokhari sy Moslim
- Grade
- Mari-pototra
Original Arabic text
من توضأ نحو وضوئي هذا ثم صلى ركعتين لا يحدث فيهما نفسه غفر الله له ما تقدم من ذنبه
عَنْ حُمْرَانَ مَوْلَى عُثْمَانَ بْنِ عَفَّانَ رضي الله عنه: أَنَّهُ رَأَى عُثْمَانَ بْنَ عَفَّانَ دَعَا بِوَضُوءٍ، فَأَفْرَغَ عَلَى يَدَيْهِ مِنْ إِنَائِهِ، فَغَسَلَهُمَا ثَلَاثَ مَرَّاتٍ، ثُمَّ أَدْخَلَ يَمِينَهُ فِي الْوَضُوءِ، ثُمَّ تَمَضْمَضَ وَاسْتَنْشَقَ وَاسْتَنْثَرَ، ثُمَّ غَسَلَ وَجْهَهُ ثَلَاثًا، وَيَدَيْهِ إِلَى الْمِرْفَقَيْنِ ثَلَاثًا، ثُمَّ مَسَحَ بِرَأْسِهِ، ثُمَّ غَسَلَ كُلَّ رِجْلٍ ثَلَاثًا، ثُمَّ قَالَ: رَأَيْتُ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَتَوَضَّأُ نَحْوَ وُضُوئِي هَذَا، وَقَالَ: «مَنْ تَوَضَّأَ نَحْوَ وُضُوئِي هَذَا ثُمَّ صَلَّى رَكْعَتَيْنِ لَا يُحَدِّثُ فِيهِمَا نَفْسَهُ غَفَرَ اللهُ لَهُ مَا تَقَدَّمَ مِنْ ذَنْبِهِ».
متفق عليه · صحيح
النص العربي والتخريج وجميع الترجمات